Famafana ny angona momba anao
Ity pejy ity dia manazava ny angona tehirizin’ny Live Jp sy ny fomba hamafana azy. Fitaovana fivarotana mivantana amin’ny Facebook sy TikTok ampiasain’ny fivarotana ny Live Jp.
Angona tehirizina
- Mpivarotra : kaonty (anarana fidirana, anarana, finday, mailaka), fikirana fivarotana, entana, kaomandy, fandefasana ary fandoavana voasoratra.
- Raha mifandray ny Pejy Facebook : ny laharana sy anaran’ny Pejy, ary ny « jeton » fidirana amin’ny Pejy (voaaro ao amin’ny mpizara). Voaaro koa ny clé fandefasana video.
- Mpanjifa maneho hevitra mandritra ny live : ny anarana ampahibemaso sy ny soratra « Jp », ary ny kaomandy mifandraika aminy, ao amin’ny kaontin’ilay fivarotana.
Esory avy hatrany ny fidirana amin’ny Facebook (mpivarotra)
- Ao amin’ny Live Jp : Fikirana → Sehatra → Facebook → Déconnecter. Voafafa avy hatrany ny jeton.
- Na avy amin’ny Facebook : Paramètres et confidentialité → Paramètres → Intégrations professionnelles (na Apps et sites web), safidio ny Live Jp, dia Supprimer.
Mangataka hamafana ny angona rehetra
Fenoy ity takelaka ity. Fafanay ao anatin’ny 30 andro ny angonao ary ampahafantarinay anao. Mety hiantso anao izahay hanamarina fa avy aminao ny fangatahana. Ny taratasy tsy maintsy tehirizina araka ny lalàna (faktiora) dia tehirizina mandritra ny fotoana voatondro, avy eo fafana.
Fifandraisana
Raha misy fanontaniana momba ny angonao : Politika momba ny tsiambaratelo